Campagne de Reboisement 2009-2010 -MFA-Jeudi 28 janvier 2010 - Tsimahabeomby Imerintsiatosika
Lahatenin’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy
Tompokolahy sy tompokovavy,
Ny teninay voalohany dia ny manolotra ny arahaba antsika rehetra tratry ny vaninandro androany izay natokan’ny Ministeran’ny Foloalindahy ho fanehoana ny fiaraha-mientana amin’ny ezaka fambolen-kazo 2009-2010. Manoina izay efa natomboky ny Fitondrana Tetezamita teny Anosivolakely, Ampanotokana ny Asabotsy faha 16 janoary lasa teo ny lamina hotanterahin’ny Foloalindahy eto Tsimahabeomby Imerintsiatosika. Tanjon’ny Fitondrana ny hampitomboana ny faritra voavoly hazo manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro, koa izany indrindra no nahatonga ny Ministeran’ny ny Foloalindahy tsy hivaona amin’ny tanjona iraisana ka nisafidy ny lohateny hoe “Ny Foloalindahy miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro”.
Tsy vitsy amintsika no mahatsiaro ny ala kininina matevina nandrakotra an’ity toerana ity sy ny manodidina azy tany amin’ny 25 taona lasa tany kanefa ankehitriny dia toerana ngazana no vantanintsika ary vokatr’izany dia miantraika amin’ny fikorontanan’ny toetr’andro ny faharavan’ny ala. Manoloana izany anefa dia tsy natao hiraviravy tànana na oviana na oviana isika fa dia mivonona hiatrika ny zava-misy.
Ny fahaiza-mandamina moa no ho enti-miady hoy ny fomba fiteny iray izay koa arak’izany dia ny drafitra maty paika fohy ezaka hotanterahin’ny Foloalindahy dia ny nisafidianana ny zanakazo Polawnia hambolena androany izay isaorana an’andriamatoa Jeneraly Ministry ny Tontolo iainana sy ny ala tamin’ny nahafahana nahazo zanakazo miisa 116 fanampiny. Araka ny fanazavana teknika mantsy dia hazo malaky fitombo tokoa izy ity nefa mateza ka azo anaovana fanaka ohatra. Ao anatin’ny drafitra fohy ezaka ihany koa ny fifanekem-piaraha miasa eo amin’ny Orin’asa Guanomad sy ny Ministera ny Foloalindahy izay hifantoka indrindra eo amin’ny fikolokoloana ireo zanakazo. Isaorana manokana noho izany ny Orinasa izay nandefa solontena maromaro tarihin’ny talen’ny Marketing miaraka amintsika eto.
Ary dia ambara eto sahady fa tsy ny programa fambolen-kazo ihany no ho ivon’ny fiaraha miasa misy eo amin’ny Guanomad sy ny Ministeran’ny Foloalindahy fa eo dia eo koa ny fifanohanana mandritra ny taon-jobily faha-50 taonan’ny Foloalindahy amin’ity taona 2010 ity.
Porofon’ny firotsahan’ny Foloalindahy an-tsehatra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny fahatongavan’Andriamatoa Talen’ny Foibem-pirenena miandraikitra ny Fanabeazana momba ny tontolo iainana miaraka amin’ny mpiofana miaramila 5 mirahalahy. Ny foibe moa izay iaraha mahalala ankehitriny fa manofana miaramila 102 ka zandary ny 74 aminireo. Mankasitraka Andriamatoa Tale.
Ny vodi hena hoe tsa miainga aloha, ary ny fisaorana toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana, koa tolorana ny fisaorana mitafotafo ianareo Jeneraly zokibe rehetra tonga eto, ianao Andriamatoa Amiraly mpanolontsaina manokan’ny Filoha Avon’ny Tetezamita, ary farany fa tsy kely akory sanatria, ho anareo Andriambavilanitra nandao ny tokantrano na ny toeram-piasana dia tolorana ny fisaorana sy fankasitrahana feno, heni-kaja heni-boninahitra tokoa ny Foloalindahy. Sitraka ho enti-matory izao fihetsika asehonareo rehetra izao ka ho valiana raha mahatsiaro.
Raha fintinina tsotsotra izany dia zanakazo Polawnia miisa 216 sy zana-kininina 2.000 no hovolena ka hanaovantsika tana-maro eto. Santatra am-bavarano ihany ny fotoana androany ho an’ny Foloalindahy, amin’ity fotom-pambolena 2009-2010 ity, fa ny manetsa be mbola ho avy. Koa ny teninay eto am-pamaranana dia ny mitaona sy mankahery ny rehetra indrindra ny ao amin’ny Foloalindahy manerana ny nosy mba handray anjara mavitrika amin’ny fambolen-kazo manara-penitra mba hialokalofantsika miaraka amin’ireo faramandimbintsika any afara.
Misaotra anareo naharitra nihaino hatramin’ny farany
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka tompokovavy
PHOTOS REBOISEMENT
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |

































