Fankalazana ny Andron'ny Manamboninahitra Lefitra
Kabarin'Andriamatoa Jeneraly RAKOTONANDRASANA Noel,
Minisitry ny Foloalindahy Malagasy
Tantara fohifohy mirakitra ny nijoroan'ny andro fankalazana ny 01 febroary ho andron'ny manamboninahitra lefitra
Ny voalohany volana febroary 2010 no nankalazaina ny tsingeritaona faha 15 niforonanan’ny “COSOFAM na ny Corps des Sous-Officiers des Forces Armées Malagasy izay namaritra ho Andron’ny Manamboninahitra lefitra” io daty voalohan'ny volana febroary io eo anivon’ny Foloalindahy Malagasy. Samy nankalaza izany avokoa ireo Manamboninahitra lefitra rehetra any amin’ny vondro-tafika rehetra manerana ny Nosy. Tsy diso anjara tamin’izany ny teo amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy. Izay niavaka manokana satria natrehin’Andriamatoa Ministry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAKOTONANDRASANA Noel nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany. Nohararaotiny teo ampandraisampitenenana nataony rehefa avy niarahaba ny Manamboninahitra lefitra rehetra eran’ny Madagasikara tonga fety izy, ny fanentanana ny rehetra mba hiara mientana, hanao soroka miara milanja amin’ny fanantotosana ny andraikitra andrasan’ny Firenena amin’ny Foloalindahy. Andrandrain’ny Vahoka isika hoy ihany izy indrindra amin’izao fotoana izao. Nambarany koa fa manao izay ho afany ny tomponandraikitra rehetra amin’ny famerenana ny fandriam-pahalemana àry milaza miara mahita isika fa mba miverina tsikelikely izany ankehitriny. Hoan’ny COSOFAM MFA manokana dia natomboka tamin’ny fanaganan-tsaina, narahina fotoambavaka fohy notarihin’ireo Hômônie 2 lahy eo anivon’ny Foloalindahy ary nofaranana tamin’ny « cross de cohesion ». Ny tapany faharoa kosa dia fiarahana misakafo sy korana tao amin’ny cercle mess tao Betongolo izay nanomboka tamin’ny 12 ora atoandro. Tamin’ny fanombohan’io fotoana farany io no nisy ny fanomezana vorontsiloza matavy sy sarim-pahatsiarovana an’Atoa Minisitra. Marihina fa tonga nanoina ny fanasana azy ireo nanotrona an'Andriamatoa Minisitra ny tomponandraikitra ambony eo anivon'ny Ministeran'ny Foloalindahy toa ny: Jeneraly ANDRIAMAHARO Claris Rodolph,Sekretera Jeneraly, ny Jeneraly RAFENOMANDRANTO Mamy, Talen'ny Kabinetra ary ny Jeneraly RAZAFINDRANALY , DGPO sy ireo Manamboninahitra maromaro. Tiana ny manamarika fa ny loha hevitra noraisina nanamariaha ity fankalazana ny faha 15 taona nisian'ny COSOFAM /MFA/PC ny voambolana hoe: " Ny hery tsy mahaleo ny fanahy".

![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |


























