KABARY DG CENHOSOA

-------------

 

Atoa Minisitry ny Foloalindahy

Atoa Filohan’ny Filankevim-pitantananan’ny CENHOSOA

Atoa isany Mpikambana ao amin’ny Filankevim-pitantanana

Atoa sy Rtoa isany Lehiben’ny Sampa-draharaha rehetra

Hianareo mpiara-miasa mahafatra-po eto amin’ny CENHOSOA

Hianareo andriambavilanitra feno hajaina, mipetraka endriky  ny trano, mandeha ravaky ny làlana, tatamo endriky ny farihy, ary loharanom-pirenena sy loharan’olombelona,

Tompokolahy sy Tompokovavy

Manao azafady raha handray fitenenana fohy eto anoloanareo, fa tsy mihambo ho lava aho akory ka handeha hanaka-drano, ary tsy hanora-tena toy ny voatango na hidera tena toa  papelika,

Ny voalohanteny dia fisaorana ilay Nahary nanome antsika  izao andro anio izao, hahafahantsika milanonana eto amin’ity toerana ity ankehitriny. Fa raha tsy izy tokoa mantsy no nitahy, dia tsy ho tanteraka izao fotoana izao, ka atolotra azy ny saotra sy ny dera  izay efa azy hatramin’ny taloha indrindra sy ho mandrakizay.

Na maika aza anefa ny hanambara, na dodona aza ny hiteny, dia tsy maintsy miala tsiny, satria ny miteny tsy afa-tsiny hono savihan-doza amin’izay atao rehetra, mitady tsy mahita, mikendry tsy mahavoa, mihazakazaka tratray ny miadana. Toy fandrotrarana an-tanimboly ny tsinty, ka ny akifika no mahasoa azy.

Rehefa afaka ny tsiny, fongotra ny fondro, dia maivana ny teny hambara.

Ka hiditra amin’ny arahaba, satria ny tonga tsy miarahaba  naman’ny tezitra. Koa miarahaba antsika rehetra tonga nanatrika izaoi fety aman-danonana izao.

Izay ary no ela tompokolahy sy tompokovavy.

Fa miharihary tpy ny tafika andrefa-tanàna ny antony mahatafavory antsika eto anio, dia ny  fahatongavana ny taona vaovao 2010, koa dia miarahaba mitafotafo sy ny firariantsoa feno no atolotra ny tsirairay tsy misy ankanavaka, noho ny nahatrarantsika ity taona vaovao 2010 ity. Enga anie mba ho taon-jina ho an’nny isan-tokonam-baravarana ity taona diavintsika ity, ka  ho fahasoavana sy fahasambara lalandava no hiarahan’ny mpianakavy rehetra hiara miriaria ao anatin’izany.

Manoloana ny fiarahabana manokana ho anareo vovonana iadian’ny lohany:

-Dia ho anao Atoa Minisitry ny Foloalindahy, ho anao sy ny ankohonanao, tafita iny taona  2009 iny, ka tratrin’ity vaovao 2010 ity. Ny arahaba atolotray anao sy ny vadinao, dia ataonay toy ny fiarahaban’ny mpirahalahy, ka ao am-po no mametsovetso sy midobodobo-pifaliana. Handidy hahita ny vaniny anie hianao, ary hikapa hahita ny tonony, handanja hahita ny marina , hahaleo hahalasana amin’ny adidy makadiry izay sahaninao. Ary manolotra ny fisaorana mitafotafo anao koa, amin’ny fahatongavanao etoana manotrona sy manome  voninahitra izao lanonana izao.

-Ho anareo mpikambana ao amin’ny filankevim-pitantanana koa, tarihan’Atoa Filohany;tsy ho rovi-damba ririnina anie hianareo; tsy ho vaky vovonana fahavaratra , fa ho ampoky ny soa  sy ny tsara mandrakariva , ho tratra antitra aza marofy.

-Ho anareo olomanakaja maro, nasaina  ka tonga manome haja amam-boninahitra an’izao lanonana izao: tonga tsy ny hafahafa  hianareo, nandao ny adidy aman’andraikitra .Velona hohasoavin’Andriamanitra anie hianareo, ho mamy tian’ny vola , ka hiondrika  ho voky tantely, hitraka ho voky ronono.

-Ho antsika mpiara-miasa rehetra tsy ankanavaka  eto amin’ny CENHOSOA kosa , dia miarahaba anareo eram-po eran-tsaina , ho taon-tsoa ho antsika rehetra  anie ity vaovao 2010 ity, ka izay sendra  tsy nety teo amin’ny olona , na teo amin’ny fiaraha-miasa  dia ho lasan’iny taona izay nilaozana iny. Enga anie Andriamanitra Andriananahary hanome  antsika ny soa sy ny  fahombiazana amin’ity taona vaovao 2010 ity.

Misaotra anareo mpiara-miasa nanolotra fiarahabana sy firariantsoa ho anay.Nanohina ny fo tokoa izany, sitraka sy telina satria teny mamy feno fankasitrahana no nipololotra teo ambavan’ny mpitondra  teny teo, izay inoako marina fa  teny avy aminareo rehetra.

Ny fisaorana hono tahaka ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana, koa manatitra ny fisaorana feno anareo aho tamin’ny fanomezana natolotrareo, ho ambinin’Andriamanitra  anie hianareo.

Ny andro asaramanitra toy izao dia vaninandro lehibe , izay hararaotina koa hitodihana ny lasa  mba hahamora ny famisavisana ny ho avy. Kanefa dia amim-panetretena  lehibe  no ilazakop, fa tsy dia hamelabelatra lava  mikasika izany ny tenako, fa dia ataoko fohifohy amin’ny ambangovangony ihany.

Ireto avy ny asa notanterahintsika nandritra iny taona 2009 vao nivalona iny:

Mikasika ny “investissements” dia tao ireo “ matériels techniques”  izay nandaniana vola  mitentina

414 660 679,82 Ariary, izay nividianana  ireto fitaovana ireto :

 

-          Respirateur (Service de Réanimation) : 100.588.190 Ar

-          Photocoagulateur laser (service Ophtalmo) : 68.556.000Ar

-          Colonne  de Vidéocolonoscopie (Service Hépato-Gastro-Entérologie) :86.834.760 Ar