Ny alatsinainy faha 15 febroary 2010 teo no tonga nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny DAS na Détachement Autonome de Sécurité hiantoka ny fandriampahalemana ao amin’ny kôminina Alatsinainikely, distrika Miarinarivo, faritra Itasy ny delegasiônina matevina notarihin’Andriamatoa Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAKOTONANDRASANA  Noel Girardin. Notronin’ny  lehiben’ny Faritra Itasy Atoa Andriamahavonjy Solomanoro sy ny sefo Distrikan’ny Miarinarivo ary ireo Mpiara miasa aminy akaiky. Taorian’ny firedonana ny hiram-pirenena dia nanao fisafoana ny andi-tafika araka ny fomba amam-panao miaramila  mahazatra ny Minisitry ny Foloalindahy ary nandray tanana sy niarahaba ny vahoakan’Alatsinainikely vory marobe. Rehefa izany dia niroso tamin’ny kabary samihafa ny tomponandraikitra. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’Atoa Minisitra no nanipihany mazava fa tsy misy fampandrosoana ho vanona raha tsy misy ny  fandriampahalemana.  Izany no ezahina tontosaina  ankehitriny araka ny toromarika nomen’Atoa Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Andry Nirina Rajoelina . Notsipihany mazava fa ny  firaisana tsikombakomba ataon’ny  tomponandraikitra amin’ny mpanao ratsy no olana misy mazana ka tsy mahatomombana ny fandriampahalemana tsara araka ny tokony ho izy. Tsy nisorona  Andriamatoa Minisitra raha nilaza teo anatrehan’ny vahoaka marobe nihaino azy fa any amin’ny faritra rehetra dia voakasik’izany avokoa na ny ao amin’ny Fitsarana na ny ao amin’ny mpitondra  aty amin’ny Faritra sy ny Disitrika ary ny Miaramila sy ny Zandary sasany hatramin’izay. Koa mijoro ny Foloalindahy sy ny Mpitondra isan’ambaratongany ankehitriny hiady amin’izany fomba mamohetra fanetriben’ny Firenena izany. Nitodika manokana amin’ny Mpitantana ny kôminina sy ny vahoaka izy avy avy eo. Notsindriany mazava fa izy ireo mihitsy ny manafina sy manao dahalo na farafaharatsiny mahafantatra tsara ireny mpanao ratsy ireny. Koa dia  nabaribariny araka izany àry fa tsy handefitra mihitsy ny mpitandro filaminana manoloana izany. Nentanin’ny Lehiben’ny faritr’Itasy izy ireo amin’ny fanomezam-baovao ireo Miaramila sy Zandary ny zava-misy manoloana ny tsy fandriampahalemana ity ary indrindra ny  famatsiana  azy ireny ara-tsakafo.

 

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.