Nanatanteraka fambolena hazo ny fikambanan’ny Zanaky Betsiboka Mitambatra na ny ZA.BE.MI. Tonga nanome voninahitra izany fotoan-dehibe izany ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly RAKOTONANDRASANA Noel izay zanaky ny faritra iny rahateo no sady Filoham-boninahitry ny ZABEMI sy ny Filohany Andriamatoa Inspecreur d’Etat RABEARINOSY Gilles. Nanotrona sy nanome voninahitra ny vahiny ny Mpitondra any antoerana tarihin’Andriamatoa RAMARONTSEHENO Memezy,  Sekreterajeneralin’ny Faritra Betsiboka, sy ireo Manampahefana isan-tokony Sivily sy Miaramila eo anivon’ny Faritra. Zanakazo kininina sy ankasia miisa 700 no voavoly. Nanao tsy omby aloha ny vahoaka izay tonga marobe tokoa nanatontosa izany fambolen-kazo izany. Nisy ny fanomezana omby iray ho nofon-kena mita-mpihavanana ho n’ny vahoaka ny Fokontany ANDRAMY sy maillot miaraka amin’ny baolina kitra hoan’ny tanora any antoerana. Nisy ny toromarika teo alohan’ny fotoana nataon’ireo teknisiana amin’ny voly hazo. Taorian’izany dia niroso tamin’ny fanantotosana ny fambolena ireo zanakazo ny vahoaka. Avy eo dia nisy ny laha-teny isan-tsokajiny. Nosokafan’ny Sefom-pokotany ny resaka, nodimbiasan’Atoa Ben’ny Tananan’ny Maevatanana faha 2, RADONAMALANTO Richard izay naneho ny fisaorany tamin’ireo tomponandraikitry ny ZABEMI nisafidy manokana ny toerana hambolen-kazo ao anatin’ny Kôminina iadidiany.Tamin’ny kabary nifanesy teo ihany no nahatsapana fa ny fikambanana Zanaky ny Betsiboka Mitambatra dia miezaka hatrany mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny faritra. Tamin’izany ihiany koa no nahafantarana fa manohana sy miaradia tanteraka amin’ny Filoha avon’ny Tetezamita Andry Nirina Rajoelina izy ireo ; izay mbola ao anatin’ny Fikambanana nasiônaly DEFI na « Dingana sy Ezaka ho Fampandrosoana Iombonana ».

 

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.

 

Nisy  ny dinik’asa nataon’Atoa Minisitry ny Foloalindahy mivady tamin’ny vahoaka sy ny tomponandraikitry ny Kôminina ambanivohitra MAHAZOMA sy ny ANDRIBA mahakasika indrindra ny tsy fandriampahalemana any antoerana. Taorian’ny fandraisampitenenana nifanesisesy nataon’ny vahoakan’Andriba dia nanentana koa Atoa Minisitra amin’ny fanairana ny olona mba hanao ny karapanondro. Efa manao ezaka lehibe hoy ihany izy ny fitondram-panjakana taritin’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina ny amin’izany ka tokony tsy hisalasala intsony isika hiatrika izay fifidianana ho avy eo fa izany no maha olom-pirenena. Nofaranany tamin’ny fanomezana maillot sy baolina kitra ho an’ny tanora sy ny Zandary  ary indrindra ny fanolorana ny fahita-lavitra lehibe miaraka amin’ny antenina parabôlika mba hahara-baovao ny vahoaka fa izany no loharanom-pandrosoana voalohany.