Ny Talata faha 09 martsa 2010 tamin'ny 04 ora tolakandro no nandray ny tsodrano avy amin’ny Minisitry ny foloalindahy RAKOTONANDRASANA Noel tao amin’ny toeram-piasany etsy Ampahibe  ny  ekipan’ny COSFA VOLLEY BALL izay hisolotena an’i Madagasikara sokajy lehilahy    hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana na ny CCCOI eo amin’ny taranja Volley Ball izay hotontosaina any  amin’ny  Nosy  Maurice ny  13 ka hatramin’ny 20 Martsa ho avy izao. Tsy vao sambany ny COSFA no nandray anjara tamin’ity lalao ity fa an-taonany maro mifanesy tokoa ary efa voahositra tompondaka ny Ranomasimbe Indiana matetika, tsy hilaza afatsy ny tamin’ny taona (2003, 2005, 2007).Tsodrano sy nankahery azy ireo ny Minisitry ny Foloalindahy ny mba hahombiazana amin’ny lalao hataoany Maurice ity.  Nanome toky ihany koa an’ny Minisitra moa ireto ekipa ireto fa hanao izay ho afany tokoa tokoa mba hibata  ny amboara mody indray amin’ity taona 2010 ity. Miisa 18  ny  delegasiôna izay tarihin’ny Colonel RAZAFINARIVO Samuel ka 13 amin’izy ireo no Mpilalao ary  05 kosa ny Mpanazatra sy tomponandraikitra samihafa. Nohararaotin’Andriamatoa Minisitra ny fisaorana ny kôpania Air Mauritius nanome tolo-bidy mirary nanamora ny fihazoana ny any Maurice hamonjena ny lalao.