Tsy diso anjara tamin’ny fankalazana ny 08 martsa andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy ny vadin’ny Tafika sy Zandary miasa eo anivon’ny Ministeran’ny Foloalindahy izay notarihin’ny vadin’ny Minisitra, Ramatoa RAKOTONANDRASANA Elysée sy ny vadin’ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Foloalindahy Ramatoa ANDRIAMAHARO Sendra. Fanatanjahan-tena samy hafa no nanombohana ny fotoana ny maraina. Avy eo dia nizara roa ny mpandray anjara ny iray voalohany tarihin’ vadin’ny Minisitry ny Foloalindahy nihazo an’i Malacam toerana nankalazana ny andron’ny 08 martsa  teto Antananarivo izay teo  ambany fitarihan’ny vadin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita Ramatoa Mialy Rajoelina. Ny faharoa indray dia nitsidika  ny trano fiterahana tao amin’ny Hopitaly miaramila eny Soavinandriana izay notarihin’ny, vadin’ny Sekretera jeneraly  ary nanomezan’izy ireo rom-patsa hoan’ireo mpiteraka sy solon-dranom-boakazo hoan’ireo Reny tsy salama. Taorian’izay dia niara-nisakafo sy nikorana  tao amin’ny Cercle Messe Betongolo izy ireo. Namaranana ny fotoana  ny fitsidihana an’ireo vaehivavy voafonja tetsy Antanimora izay nanomezana vary 2 gony sy kojakoja-mbamin’ny lamba fitafy narahana teny fahankaherezana hoan’ireto vehivavy  voa fonja ireto sy fiarahabana azy ireo tatry ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy .

 

JavaScript est désactivé!
Pour afficher ce contenu, vous devez utiliser un navigateur compatible avec JavaScript.