Les épouses des militaires des Forces Armées Malagasy sont descendues dans la commune rurale d'Anjiro, district de Moramanga le samedi 23 juin 2012 pour apporter leur aide à la population de cette localité dans le cadre de la célébration du 52° anniversaire des Forces Armées et de la célébration de l'Indépendance. La Direction des Sevices de Santé Militaire - DCSSM a fourni son assistance dans l'exécution de la circoncision de masse et du perçage d'oreilles. A l'issue de cette activité 60 jeunes garçons ont été circoncis, 40 femmes et jeunes filles ont reçu des perçages d'oreilles tandis que 40 personnes agées ont bénéficié d'aide en nature telle que du sel, café, riz, vêtements, savon, pâte alimentaire.

Tany amin’ny kaominina Anjiro no nanatontosan’ny Asa sosialy ny Vady miaramila avy eto Antananarivo Renivohitra  ny hetsika iray izay tafiditra indrindra amin’ny fankalazana ny faha 52 taonan’ny Foloalindahy ny sabotsy 23 jona 2012 lasa teo. Delegasion’ny vady miaramila mafonja notarihin-dRamatoa Vohangy Rakotoarimasy vadin’ny Minisitry ny Foloalindahy notronin-dRamatoa Vadin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy Ramatoa vadin’ny Lehiben’ny Etamazaoro Jeneraly ny Tafika Malagasy no indray nidina teny an-toerana ka vokatry ny fiaraha miasa matotra eo amin’ny Sampana misahana ny Fahasalamana ao amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy Malagasy sy ny Asa sosialy   dia tanteraka teto amin’ny kaominina ny famorana faobe ka zazalahy 60 no natao hasoavana izay nampihaona ny fomba moderina sy ny fankalazana amin’ny fomba tena malagasy... Zazavavy sy vehivavy lehibe miisa 40 kosa no voatevin-tsofina izay ho afaka hiravaka kavina rehefa kelikely. Avy eo dia mbola ireo delegasiona ireo ihany koa no nanolotra fanomezana toy ny sira, kafe, vary, lamba fitafy, savony ary pâte ho an’ireo be antitra miisa efapolo monina amin’io kaominina io. Tonga teo an-toerana ihany koa ireo manam-pahefana avy any amin’ny distrikan’ny Moramanga izay notarihin’Andriamatoa Lefitry ny Lehiben’ny distrika. Angady nananana sy vy nahitana tamin’ity hetsika ity ny Jeneraly Ndriarijaona André mivady izay notolorana manokana ny fisaorana sy fankasitrahana raha nandray fitenenana ny Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Foloalindahy, ny Jeneraly Randriamaharo Claris Adolphe. Tsy hadino ihany koa ny nisaotra ireo malala-tanana tamin’ny fanomezana isan-karazany. Niavaka tamin’ity hetsika ity ny nanokanana iray minitra fahanginana taorian’ny voina nitranga tamin’iny faritra atsimon’ny Nosy iny sy ny fitrondrana ny marika hita maso ho fiaraha miory amin’ireo fianakaviana mana-manjo.

 

Sampana Filazam-baovao sy Seraseran’ny MFA