52° anniversaires des Forces Armées: Message du Ministre

Tompokolahy sy tompokovavy,
Tsingerin-taona faha 52 niverenan’ny fahaleovanten’i Madagasikara sy nanangana ny Foloalindahy Malagasy no ankalazaintsika ny faha 26 Jona2012 izao.
Mariky ny fifamatorana eo amin’ny vahoaka Malagasy tsivakivolo sy ny Foloalindahy io vaninandro manan-tantara io, ka toy ny rano sy vary, ka an-tsaha tsy mifanary ary an-tanàna tsy mifandao. Eto am-piandohana dia ankasitrahana ilay Andriamanitra Andriananahary izay nitantana sy nandamina ny diantsika hatramin’izay. Ho Azy irery ny dera sy ny laza ary ny voninahitra mandrakizay.
Tojon’ny fetim-pirenena isika mianakavy koa mifampiarahaba, mifampirary soa. Arahabaina ny isam-baravarana, arahabaina ny ambaratongam-pahefana tsy an-kanavaka ary farany nefa tsy kely indrindra dia arahabaina manokana ny miaramila rehetra sy ny fianakaviany ao amin’ny Tafika sy ny Zandarimaria tratry ny faha 52 taonan’ny Foloalindahy Malagasy.
Tantely amam-bahona anefa ny fiainana, semban-drahonana vao tsy ela akory izay ny fianakaviamben’ny Foloalindahy, koa miondrika am-panajana eo anatrehan’ireo rahalahy lavo teo am-panatanterahana ny adidiny ny tenako ary miombon-kalahelo amin’ireo fianakaviana mana-manjo. Andriamanitra be famindram-po sy Tompon’ny fahasoavana rehetra anie hampionona sy hamerina ny fanantenana ao anatinareo. Ary mirary fahasitranana haingana ho an’ireo naratra.
Ho anareo namana mpiray donak’afo, izay nisafidy indrindra ny fanompoana ny Tanindrazana eo ambany faneva no itondrako teny eto anio hariva, ary ankasitrahako eto sahady ny finiavana sy ny fahavonona asehonareo eo amin’ny fiarovana toy ny anakandriamaso ny fiandrianam-pirenena sy ny hasin’ny tanindrazana. Mijery antsika ny vahoaka Malagasy, mametraka ny andraikitra goavana maha- tandroka aron’ny vozona, kiady aron’ny voly ary ary ho manda aron’ny tanàna antsika koa aoka tsy handraraka ilo mby an-doha isika amin’izany. Ny voninahitra an-tsobika mantsy tsy hatao am-patambary.
Misedra fitsapana maro ankehitriny ny Foloalindahy. Voatohintohina hatrany ny firaisan-kina nefa mbola voaporofo ary hita ankehitriny fa mafy orina ka tsy manaiky lembenana manoloana izay mety ho fihantsiana na mety ho tetika fampisaratsarahana. Io no antoky ny fahombiazana amin’ny asa fampandriana fahalemana sy ny filaminana ary mahatonga antsika tsy hihemotra tamin’ny nanohizantsika ny iraka nataon’ireo rahalahy mahery fo lavo teny an-tanin’ady. Izany ihany koa no asehontsika amin’ny alalan’ny porozenitra sy ny dia mirindra izay tanterahina mandritra ny matso manerana ny Nosy. Ny firaisan-kina izay efa mafy orina ato anatintsika no ho isan’ny fanoitra lehibe ho amin’ny fampandrosoana. Koa mitaona anareo hiara hibanjina ny ho avy hiara hanorina Foloalindahy mendrika ny fireneny ary ho reharehan’ny taranaka fara-mandimby.
Ho an’i Tanindrazana.









