VAOVAO MFA

Vatsin-dalana sy kojakojam-panatanjahantena no natolotra an’i Ali Kamé mpilalaon’ny Cosfa , tompon-dakan’i Afrika 2012 taranja décathlon, tamin’ny fihaonany tamin’ny ministra tompon’andraikitra ny Jeneraly Rakotoarimasy André Lucien,  ny zomà 20 jolay maraina teo tao amin’ny toeram-piasany eo Ampahibe. Ankoatry ny fitsidihana amin’ny fomba ara-panajana ho fangatahan-tsodrano dia nampahafantarina teo ihany koa ny fankasitrahana ara-miaramila avy amin’ny lehiben’ny Rezimanta misy an’i Ali Kamé ka nampiakarana azy ho Miaramila Kilasy Voalohany noho izao zava-bita maha-te hidera nataony izao. Fisaorana nohon’ny nanandratana avo ny voninahitry ny firenena sy firariantsoa ho amin’ny dingana manaraka any amin’ny lalao olimpika any Londres no nambaran’Andriamatoa Ministra raha nandray fitenenana izy. Nanotrona an’ity atleta tompon-dakan’i Afrika ity tamin’ny fihaonana tamin’Andriamatoa Ministra ny Sekretera Jeneraly ny Ministera, ny Talen’ny fanatanjahantena ao amin’ny ministera ary ny mpanazatra. Handao an’i Madagasikara ny sabotsy 21 jolay 2012 ny miaramila kilasy voalohany Ali Kamé. Mirary soa ho azy.

Le décathlonien Ali Kamé athlète du COSFA et champion d’Afrique 2012 s’est présenté au Ministère des Forces Armées à Ampahibe le vendredi  20 juillet 2012 à 10 heures pour recevoir la bénédiction du Ministre. Accompagné de son entraineur et du Colonel Directeur de l’Office Militaire des Sports et de la Culture, l’athlète a reçu des mains du Ministre une enveloppe d’argent en guise de  viatique ainsi que quelques équipements de sport, suivi des mots de félicitation, d’encouragement et de meilleurs vœux de succès durant son séjour olympique à Londres. Le Ministre a été assisté du Secrétaire Général du Ministère lors de cette rencontre au cours de laquelle  il a été cité que le Soldat Ali Kamé a été promu au rang de Soldat de 1ère Classe par son Commandant de Régiment. Notre athlète national quittera la Grande île ce samedi 21 juillet 2012. Souhaitons-lui les meilleurs.

 

Service Information et Communication MFA

Mis à jour ( Samedi, 21 Juillet 2012 15:53 )