FAMPITAM-BAOVAO  AVY AMIN’NY FIBAIKOAN’NY FOLOALINDAHY


Androany alahady 22 jolay 2012 tokony ho tamin’ny 5 ora maraina dia fantatra fa nisy andiana miaramila mitam-basy niditra an-keriny tao amin’ny tobin’ny 1er RFI Ivato izay nanao tifi-danitra hisakanana izay rehetra mikasa ny hiditra ny toby.

Nivory haingana teto Ampahibe teo anatrehan’izany ny tomponandraikitra ambonin’ny foloalindahy  notarihin’i Minisitra, ny Jeneraly RAKOTOARIMASY André Lucien ka nandray ny fepetra rehetra hamerenana amin’ny laoniny ny zava misy.

Efa miatrana manodidina ny toby Ivato ankehitriny ireo vondrona miaramila ahitana ny Tafika sy Zandary miandry ny baiko ary mandamina ny fivezivezena sy ny filaminana kosa ny EMMO/REG.

Ampahatsiahivina fa ny fikomiana dia enjehin’ny fitsipipifehezana miaramila ary tsy maintsy misy fepetra ho raisina avy hatrany ho an’ireo miaramila tafiditra amin’ity raharaha ity. Fantatra fa ny kaporaly Vahia Tsitomainty dit “Black” mpiambina manokana ny Ministry ny Foloalindahy teo aloha, ny Jeneraly Rakotonandrasana Noël no mitarika ny fikomiana.

Ny zava-mitranga dia mijanona ao anatin’ny Toby fa tsy ahiana hitatra aty ivelany.

Ny Foloalindahy dia manao ny ezaka manokana handaminana ity raharaha anatiny ity  ary hampahafantra hatrany ny fivoaran’ny toe-draharaha.

Mis à jour ( Lundi, 23 Juillet 2012 11:01 )