FANKALAZANA NY ANDRON’NY MD GEORGES SY NY TSINGERIN-TAONA FAHA

35 NY REZIMANTAN’NY ANDRY SY TOHANA (RAS) AO AMPAHIBE

Samy manana ny tantarany sy ny fomba amam-panaony avy ireo Vondron-tafika rehetra manerana ny nosy. Anisan’ny vy  mampiaina ny maha miaramila rahateo ny fandalana sy ny fanomezana haja izany soatoavina sy fomba amam-panao izany. Ara-tantara dia manana ireo olo-masina mpiahy azy ny vondron-tafika na ny sokajin’asa isan-tsokajiny ao amin’ny Foloalindahy. Nankalaza ny fetin’ny olo-masina mpiahy azy ny Alatsinainy teo ny Vondron-tafika Rezimantan’ny Andry sy Tohana etsy Ampahibe. Ny andron’ny 23 Aprily dia andro fankalazana sy fahatsiarovana ny olo-masina “Georges” na i “Georges de Lydda”. Raha ny tantara no tsiahivina dia tany amin’ny taona 303 no natao martiora I Masindahy Georges zanaka mpino kristianina. Miaramila manamboninahitra tao amin’ny tafika romana I Georges tamin’izany fotoana izany ka anisan’ny naivaka idrindra noho ny herimpo nananany teny an-tany fiadiana. Indray andro raha namakivaky ny Tanana iray izay nampihorohoroan’ny dragona iray izy dia anjaran’ny zanaka vavin’ny mpanjaka no tokony hatolotra ho sakafon’ity dragona izay nandrimpaka ny biby rehetra tao amin’ny faritra manodidina ka tsy nisy sahy namono nohon’ny heriny ity . Nihantsy ady tamin’ity dragona ity ny masindahy Georges ary naharesy azy nohon’ny herin’ny finoany an’Andriamanitra. Nomen’ny Mpanjaka harena be i Masindahy   Georges noho ny fanavotany ny zanany saingy tsy noraisiny izany izany fa nozarainy tamin’ny mahantra. Nampijaliana sy nampahoriana ary nampidirina am-ponja noho ny finoany izy saingy tsy nilefitra tamin’izany finoany izany. Niafara tamin’ny famonoana azy izany.

Teo amin’ny ara-tafika dia nampiavaka an’I Masindahy Georges ny fitaingenanany soavaly ary manao ireo akanjo vy aro-tena na “Armures” sy ny Ampinga ary ny lefona rehefa miady. Taty aoriana dia ireo no nentina nanorina ny vondron-tafika “cavalerie” izay nampiasa ny fiara mifono vy sy mampiasa ireo tafondro isan-tsiokajiny  ka nandray an’I Masindahy Georges ho ray mpiahy azy ireo. Ny Rezimantan’ny Andry sy Tohana dia vondron-tafika mampiasa ny fiara mifono vy ary mpanazava eny an-tany fiadiana koa izany no mahatonga azy ireo handray an’i Masindahy Georges ho olo-masina mpiahy. Hatramin’ny taona  1986 no nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy teo anivon’ity rezimanta ity io datin’ny 23 aprily ho fahatsiarovana an’I Masindahy Georges io. Mandritra io andro io dia maro ireo hetsika ho fankalazana izany toy ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena, carnaval lehibe ary  fiaraha-misakafo sy mikorana. Mbola hitohy ny voalohan’ny volana Mai ho avy izao ny fankalazana ity andron’ny Rezimantan’ny andry sy Tohana izay entina hankalazana ihany koa ny tingerin-taona faha 35 nananganana ny rezimanta.

 

 

CELEBRATION DE LA FETE DE  SAINT GEORGES ET DU 35ème ANNIVERSAIRE

DU REGIMENT D’APPUI ET DE SOUTIEN  (RAS) AMPAHIBE.

Fidèle à ses traditions le Régiment d’Appui et de Soutien (RAS) d’Ampahibe a célébré avec dignité le 23 Avril dernier la fête de Saint Georges le Saint patron de la Cavalerie. Cette année  cette fête coïncide avec la célébration du 35ème anniversaire du Régiment. Différentes manifestations sportives comme des courses de relais, matchs de volley Ball, carnaval des engins blindés fleuris  dans l'enceinte et autour du camp Gal Gabriel Ramanantsoa Ampahibe ont marqué cette journée du Lundi.

Bref histoire. Georges est un saint totalement légendaire, dont l'existence est mise en doute dès le Ve siècle. Né en Orient, son culte est toujours resté vivace en Grèce et en Russie. En outre, saint Georges est, dans toute la chrétienté, le patron des chevaliers. Né en Cappadoce de parents chrétiens, Georges, officier dans l'armée romaine, traverse un jour une ville terrorisée par un redoutable dragon qui dévore tous les animaux de la contrée et exige des habitants un tribut quotidien de deux jeunes gens tirés au sort. Georges arrive le jour où le sort tombe sur la fille du roi, au moment où celle-ci va être victime du monstre. Georges engage avec le dragon un combat acharné ; avec l'aide du Christ, il finit par triompher. La princesse est délivrée et le dragon, seulement blessé, lui reste désormais attaché comme un chien fidèle.

Plus tard, Georges est victime des persécutions antichrétiennes de l'empereur Dioclétien. Il subit en Palestine un martyre effroyable : livré à de nombreux supplices, il survit miraculeusement et finit par être décapité.

A l’honneur de celui qui, en armures et à cheval,  par son courage et sa foi en dieu a vaincu le dragon, la cavalerie militaire utilisant des blindés et des canons légers  et  toujours en éclaireur dans les champs de bataille, a choisi Saint Georges pour le Saint patron.

Le 35ème anniversaire du Régiment d’Appui et de Soutien sera célébré officiellement le Mardi 1er Mai avec diverse manifestations à Ampahibe.

 

Service de l’Information et de la Communication de l’Armée