Action sociale des Forces Armées: Ouverture de la campagne de circoncision de masse
L'Action sociale de Forces Armées n'a pas failli à son rendez vous annuel d'hiver pour lancer l'ouverture officielle de la campagne de circoncision de masse ce jeudi 24 mai 2012. C'est une fois de plus le fokontany d'Ampandrana-Est qui a bénéficié de ce programme avec l'appui technique de la Direction Centrale des Services de Santé Militaire. Cette campagne annonce le début d'une série d'autres activités de l'Action sociale pour l'année 2012.
Amin’ny vanim-potoana mangatsiaka toy izao dia manao hetsika famorana faobe ny Asa Sosialy Miaramila miaraka amin’ny Sampana Fahasalamana Miaramila ao amin’ny Ministeran’ny Foloalindahy izay tarihin’ny Médecin Général RAKOTONIRINA Johanesa. Ka toy ny fanao isan-taona dia ny fokontanin’Ampandrana Atsinana no nanombohana ny arahaba ririnina androany alakamisy faha 24 mai 2012. Zazalahy 34 isa no voafora sady notolorana fanomezana maro toy ny kilalao,malabary,vatomamy ary natao araka ny fomba Malagasy izay nafanain’ny mpitsoka mozika ny Tafika Malagasy. Ramatoa Vohangy Rakotoarimasy no nitarika ireo andriambavilanitra vady miaramila notronin-dRamatoa Sendra Andriamaharo sy Ramatoa Clautilde Ndriarijaona. Misantatra ireo hetsika isankarazany izay mbola ho tanterahin’ity asa sosialy ity ny fandaharana androany. Satria mbola maro ny toerana hanaovana ity famorana faobe ity ato anatin’ny faritra sy any amin’ny faritany. Raha tsiahivina dia ny faritra atsinanan’ny nosy no notsidihin’ny asa sosialy ny Foloalindahy mandritra ny taona 2011 izay nahitana fanentanana maro toy ny fikajiana ny fahadiovan’ny manodidina, ny famononana parasy, ny fitsaboana maimaimpoana sns.
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |















